nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

FIANTSONAN’NY KAOMPANIA “ETIHAD AIRWAYS”

Tonga teto amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny iray tamin’ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pitanterana anabakabaka « Etihad Airways » ny 03 jona lasa teo.
Nitondra fitaovana ara-pahasalamana 7 taonina fanomezana ho an’ny Madagasikara io fiaramanidina io. Mitsinjara ho toy izao ireo fanomezana ireo : akanjo fiarovana miisa 10 000, arotava 300 000, fitaovam-pitiliana haingaina hiadiana amin’ny « coronavirus » 25 000.
Tamin’ny fiaingany avy teto madagasikara dia nitondra 68 baoritra « Covid-organics » fanomezana avy amin’ny governemanta Malagasy io fiaramanidina io.
Tongasoa ! Isaorana ny fiarahamientan’ny mpiaramiasa ato amin’ny Ravinala Airports sy ireo sampan-draharaha ety amin’ny seranam-piaramanidina tamin’ny fikarakarana ny fandraisana ity fiaramanidina ity.