nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

FANOLORANA FANOMEZANA HO AN’NY FONDATION RAOUL FOLLEREAU

Ny 28 aogositra 2020, ny orinasa Ravinala Airports, mpitantana an’ny seranam-piaramanidin’Antananarivo sy Nosy Be, nosoloin’ny tale QHSSSEMR Ramatoa Felana Ratsimbazafy, tena, dia nanolotra fanamiana miisa sivy amby sivin-jato (909) ho an’ny mpitsabo ao amin’ny Fondation Raoul Follereau, notronin’ny filohany, dokotera Bertrand Cauchoix.

Ity fanomezana ity no tontosa noho ny Fondation Groupe ADP, izay nosoloin’i Ravinala Airports tena, sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Aviation Sans Frontières.

Mirotsaka an-tsehatra amin’ny ady amin’ny habokana eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1954 ny Fondation Raoul Follereau.

Ivon-toerana miisa telo amby roapolo (23) no hahazo an’ireo fanampiana ireo, izay tsinjarain’ny Fondation ihany:

  • EQUIPE SOIGANTE DU PROGRAMME NATIONAL LEPRE
  • EQUIPE SOIGNANTE DU PROJET PEOPLE EDCTP
  • CENTRE ST FRANCOIS AMBANJA
  • CENTRE DE TRAITEMENT LEPRE BERAFIA
  • FILLES DE LA CHARITE AMBATOABO FARAFANGANA
  • HOPITAL HANSENIEN DE MARANA
  • LEPROSERIE ST-PAUL MAROVAHY MANANJARY
  • FRANCISCAINES SERVANTES DE MARIE PORT BERGE
  • LEPROSERIE TSIMAHASENGE ANALALAVA
  • SR DE ST-PAUL DE CHARTRES AMBIKA
  • FILLES DE LA CHARITE ST-VINCENT DE PAUL AMPASY
  • CENTRE PROTESTANT FJKM BEKOAKA
  • SOEURS NAZAREENNES BETROKA
  • PPID ST-PAUL TULEAR 
  • CALA ANTALAHA
  • CENTRE ANTSOHIHY NORD
  • CENTRE BEKILY
  • CTT Tanjomoha Vohipeno (Luciano)
  • DISPENSAIRE LE BON SAMARITAIN
  • CENTRE IMADY
  • CENTRE MORAMANGA
  • CENTRE MORONDAVA
  • CENTRE SAMBAVA

Tafiditra amin’ny fandraisana andraikitry ny orinasa Ravinala Airports izao hetsika izao ao amin’ireo tanàna misy ireo seranam-piaramanidina sahaniny.