nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

Manampy an’ireo fianakaviana sahirana miisa 420 manodidina ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’Antananarivo ny orinasa Ravinala Airports

Amin’izao akatokin’ny fetim-pirenena izao ary toa ny isan-taona dia tsy manadino ireo fianakaviana sahirana manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato ny orinasa Ravinala Airports. Fiaraha-miasa amin’ny Kaomina Ivato, Talatamaty, Anosiala sy Ambatolampy Tsimahafotsy no nahafahana namantatra ireo olona omena fanampiana ireo. Mandritra ny roa andro, izany hoe nanomboka omaly 24 jona sy anio 25 Jona, dia nizara vary 2 100 kilao, siramamy 420 kilao ary menaka 420 litatra ho an’ireo fianakaviana sahirana miisa 420 ireo solontenan’ny Ravinala Airports izay notarihan’Andriamatoa Jean Dieudonné RANDRIANIRINAMIFIDIMANANTSOA, Kaomandin’ny seranam-piaramanidina Ivato, Ramatoa Felana RATSIMBAZAFY, Talen’ny QHSSSEMR sy ny mpiaramiasa aminy ary Ramatoa Sandrine RAHANTAMALALA, mpiandraikitran’ny serasera sy ny mpiaramiasa aminy. Tsy adinono ihany koa ireo vehivavy iharan’ny herisetra sy ireo ankizy ao amin’ny akany fitaizana zaza kamboty Felana Maitso, izay nizarana ihany koa PPN, kilalao, ary akanjo mafana. Isaorana manokana ireo mpiaramiasa rehetra nanome fanampiana sy akanjo ho an’izy ireo.