nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

SIDINA VOALOHANY FAMPODIANA VEHIVAVY TERATANY MALAGASY TETO AN-TANINDRAZANA

Tontosa tamin’ny 8 Jona lasa teo ny sidina voalohany fampodiana an-tanindrazana ireo vehivavy teratany malagasy, avy any Koweït, tamin’ny alalan’ny sidina Boeing 777 an’ny « Kuwait Airways » . Tao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra no nandraisana ny sidina teto amin’ny seranam-piaramanidin’ Antananarivo.

Isaorana manokana ny firaisan-kinan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny mponina, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, ny CCO Ivato, ny Polisy nasionaly, ny Zandarimaria, ny CPC, ny OIM, ny ACM, ny CSPI-M, ny fadintseranana, ny mpiaramiasa ato amin’ny Ravinala Airports sy ireo olona rehetra nandray anjara tamin’ny fandrindrana izao hetsika izao.