nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

NANOLOTRA FITAOVANA ARA-PAHASALAMANA HO AN’NY MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA NY ORINASA RAVINALA AIRPORTS

Nanolotra fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka i Ravinala Airports, izay nosoloin’ny tale jeneraliny, Andriamatoa Patrick Collard, tena, omaly,  ary natrehan’ny sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, Professeur Gaëtan Duval Solofomalala, sy ny Minisiteran’ny Fitaterana, ny Fizahan-tany ary ny Famantarana ny toetry ny andro, izay soloin’ny Sekretera Jeneraliny, Andriamatoa Rakotovahiny Jean-Luc tena.

Nahitana “concentrateurs” miisa valo amby telopolo (38) sy “respirateurs” miisa sivy (9) miaraka amin’ireo kojakojany, izay mitentina 80.904,63 € na  339.799.446 Ar ireo fitaovana ara-pahasalamana ireo.

Tafiditra amin’ny fandraisana andraikitry ny orinasa Ravinala Airports izao hetsika izao ao amin’ireo tanàna misy ireo seranam-piaramanidina sahaniny.

Maro ireo rafitra hahazo ireo fitaovana ireo, toy :

  • Ny hopitalin’i Nosy Be izay hahazo “respirateurs” miisa roa (2) sy “concentrateurs” miisa fito ambin’ny folo (17) ao anatin’ny fiomanany amin’ny fisokafan’ireo sidina iraisam-pirenena
  • Ny tanànan’Antananarivo hahazo “concentrateurs” miisa efatra (4)
  • Hahazo “respirateurs” miisa fito (7) sy “concentrateurs” miisa fito ambin’ny folo (17) ihany koa ireo toeram-pitsaboana hafa manerana an’i Madagasikara

Miomana amin’ny fisokafan’ny sisin-tany ny orinasa Ravinala Airports ankehitriny ary mametraka ireo fepetra rehetra mifanaraka amin’izany. Ho fanampin’ireo fepetra fisorohana toy ny fanaovana arotava, ny fanajana ny elanelana 1,5m, dia namatsy fitaovana hafa toy ny : fitaovana fizahàna ny tsimokaretina miisa iray (1) ho an’ny seranam-piaramanidin’Antananarivo izy, izay ahazoana valiny ao anatin’ny 20 minitra, « caméras thermiques », ary « plexiglass » izay efa an-dàlana ny fametrahana azy ireo eny amin’ny toerana rehetra hifaneraseran’ny mpiasa sy ny mpandeha ao amin’ny seranana vaovao.

Miara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana, ny Fizahan-tany ary ny Famantarana ny toetry ny andro, sy ireo mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany sy anabakabaka ny orinasa Ravinala Airports ao amin’ny seranam-piaramanidin’ny Nosy Be amin’ny fanomanana tetika ara-pahasalamana toy ny fametrahana « caméra thermique » sy toerana fialofana handraisana ireo mpandeha hatao fizaham-pahasalamana. Izany lamina rehetra izany no ahafahana manokatra ny sidina iraisam-pirenena ny 1 oktobra ho avy izao ao anatin’ny fanajana  ny fepetra ara-pahasalamana.