nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

Fitsidihana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena vaovao Ivato

Tamin’ny 30 Aprily 2019, dia voninahitra lehibe ho an’ny Ravinala Airports ny nandray ireo solo-tena mafonjan’ny Filohan’ny Banky Iraisam-pirenena Atoa David MALPASS, ny Minisitry ny Fitaterana, Fizahan-tany ary ny Fijerena ny toetrandro, Atoa Joël RANDRIAMANDRANTO, ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Teti-bola, Atoa Richard RANDRIAMANDRATO, ire osolo-tenan’ny Banky iraisam-pirenena ao Afrika ary ny Tale Faratampon’ny Air Madagascar. Ireo solo-tena rehetra ireo dia afaka nahita ny fandrosoan’ny asa fananganana ny toeram-piantsonan’ny sidina iraisam-pirenena ao amin’ny seranam-piaramanidina Antananarivo. Ny asa fanatsarana farany dia efa eo am-pantanterahana azy ary ny fanomboham-piasany dia vinavinaina ho amin’ny  taona 2020. Ity toeram-piantsonana vaovao ity dia afaka handray mpandeha hatramin’ny 1.5 tapitrisa isan-taona eoary hisy velarana 17 500m². Amin’izao fotoana izao, ny fitambaran’ny toeram-piantsonana ho an’ny zotra nasionaly sy iraisam-pirenena dia eo amin’ny  9700m² eo. Ity tetikasa ity dia hisy vokany lehibe amin’ny fizahan-tany sy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.