nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

SIDINA FAMPODIANA ETO AN-TANINDRAZANA IREO TERATANY MALAGASY AVY TAO NOSY MAORISY

Nigadona teto amin’ny seranam-piaramanidin’ Antananarivo ny zoma 20 jona 2020 ny sidina fampodiana teratany Malagasy, miisa 130, tavela tany amin’ny nosy Maorisy. Efa nanao fizahana ny Covid-19 avokoa izy ireo tany amin’ny Nosy Maorisy.

Tao anatin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana, mifandray amin’ny Covid-19 no nandraisana ny sidina :
– Fakàna maripana teo am-pidinana ny fiaramanidina
– Fitiliana azahoana valiny haingana ho fanampin’ireo fepetra efa noraisina
– Fiandraketana an-tsoratra ny velirano fampiharana ny fihibohona
– Fanajana ny elanelana iray metatra izay tanteraka noho ny fanampian’ireo mpitandro ny filaminana
– Fanaovana aro-tava
– Famendrahana fanafody ny entan’ny mpandeha sy ny seranam-piaramanidina nataon’ny « Corps de Protection Civile (CPC) »
Taorian’ny figadonan’ireo teratany Malagasy avy tany Maorisy dia niverina nitondra ireo teratany Maorisiana tany an-tanindrazany ny fiaramanidin’ny kaompania « Air Mauritius ».