Politika RH

Orinasa iray, ekipa iray !

Ny olona no fototry ny laharam-pahamehanay

Politika

MARIKY NY MPAMPIASA

Inona no antony hidirana ao amin'ny Ravinala Airports?

Manana vina ho lasa mpitantana seranam-piaraminidina fitaratra eto amin’ny ranomasimbe Indianina ny Ravinala Airports amin’ny taona 2025. Noho ny fahafantarana fa ny mpiasa no antoky ny fahombiazany, dia nataony vaindohan-draharaha ny fampiroboroboana ny maha-olona ho an’ireo harena arak’olona ao aminy, ka omeny lanja amin’izany ny soatoavina :  ny Fitsinjovana, ny Faniriana, ny Fahafaham-po amin’ny tolotra omena ary ny Fandraisana andraikitra. Ao anatin’ny dingan’ny fanatsarana mitohy, ny Tompon’andraikitry ny mpiaramiasa (RH) dia mikatsaka ny hamorona tontolon’ny asa miabo, misy fanavaozana, ara-drariny ary azo antoka ho an’ny mpiasa rehetra, ka mikendry ny fanatsarana ny firoboroboan’ny tsirairay sy iraisan’ny rehetra, hampitomboana ny zava-bitan’ny orinasa. Araka ny rafitra ara-dalàna, ny asa rehetra ataony dia mifototra amin’ireto andry manaraka ireto :

 

        • Fitsipi-pitantanana ny asa mifanaraka amin’izay andrasan’ny mpiasa
        • Fanamafisana ny fahafahana miasa
        • Fanatsarana ny kalitaon’ny fiainana ao am-piasana
        • Fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny fiarovana eo am-piasana
Rejoindre Ravinala Airports
ravinala
incurve-arrow

SOATOAVINA

Ireo soatoavina eto amin'ny orinasa

Tena mifamatotra, ny soatoavinay sy ny antom-pisianay no mitarika anay isan’andro hanao ny iraka ankinina aminay sy manampy anay hahatratra ny vina napetrakay

Bienveillance
Fintsinjovana

Hita amin'ny alalan'ny fifanajana, fifampihainoana, fankasitrahana ny asa vita ary fanajana ny olona tsirairay na ao anatiny na ivelany

Faniriana

Orinasa manana faniriana sady mavitrika ary mizotra ho amin'ny fanatsarana mitohy amin'ny alalan'ny fanavaozana. Mitady sy mitaky ny tsara indrindra hatrany izahay, mba ho fampandrosoana ny orinasa sy Madagasikara ny Ravinala Airports

Fahafaham-po amin'ny tolotra omena

Mikatsaka ny fahafaham-po tsy tapaka ho an'ny mpanjifa anatiny sy ivelany izahay amin'ny alàlan'ny fihainoana azy ireo tsy ankiato, amin'ny alàlan'ny fandraisanay andraikitra sy ny fahaizanay maminavina ny filan'izy ireo ka hahafahanay manome asa misy kalitao mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena.

Fandraisana andraikitra

Mijery ny tombontsoan'ny mpandray anjara rehetra izahay. Entaninay izy ireo mba hiara-mamorona soatiavina amin’ny fomba mangarahara

Miasà ato aminay

Mitady asa vaovao ve ianao? Aza mitady lavitra, tongava manatevina ny ekipanay !

Rejoignez-nous