nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

Zaikabe ” Aviadev 2019 ” tany Capetown

Amin’izao fotoana izao, Ravinala Airports, izay misahana ny asa rehetra mahakasika ny seranam-piaramanidina  Antananarivo sy Nosy Be eto Madagasikara, dia mandray anjara amin’y zaikabe  Aviadev 2019 atao any Capetown. Ny ekipan’ny Ravinbala Airports dia voasolo tenan’ny Lehibe Lefitra Atoa Nicolas Deviller, sy ny Lehiben’ny Raharaham-barotra , Rtoa Zoelisoa Rajohnson. Izy dia miara-miasa akaiky amin’ny Birao Nasionaly momba ny Fizahan-tany eto Madagasikara sy ny ADP International, mba hisintonana ireo orinasa vaovao miandraikitra sidina sy hanatsarana ny zotra mankaty Madagasikara. Ny zaikabe Aviadev, dia natao indrindra mba hampitomboana ny lalam-pifandraisana mankany sy avy any amin’ireo Firenena ao amin’ny Kaontinanta Afrikana, mampivondrona ny seranam-piaramanidina maro, orinasa maro miandraikitra sidina, ny fizahan-tany, mpitondra fanjakana ary ny mpanao asa eo amin’ny sehatra an’habakabaka. Ny solon-tenan’ny Banky iraisam-pirenena ao Afrika atsimo dia nanotrona nanome  voninahitra izany zaikabe izany.