nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

FISORATANA ANARANA AMIN’NY AVIADEV AFRICA AMIN’NY ALALAN’NY ATERINETO

Ho fampandrosoana sy ho fampiroboroboana ny orinasa dia zava-dehibe ny fametrahana paikady hisarihana Kaompaniam-pitaterana anabakabaka maro mba hampivelatra ny làlana anabakabaka miainga na makaty Madagasikara.
Nitondra fikorontanana lehibe teo amin’ny tontolon’ny fitaterana anabakabaka maneran-tany ny valan’aretina Covid-19, noho izany dia mitohy ny ezaka ataon’ny Ravinala Airports amin’ny fampiroboroboana ny famelomana ny sehatry ny fitaterana anabakabaka sy fizahantany.
Araka izany dia tapaka fa ho atao amin’ny alalan’ny aterineto ny AviaDev Africa ny faha-9 ka hatramin’ny faha-11 jona 2021, izay fihaonambe handinihana ny fanatsarana ireo sidina sy ireo tolotra rehetra mahakasika izany eto Afrika. Mandritra ny tapak’andro maraina, in-telo misesy, ity hetsika andiany faha-5 ity.
Madagasikara,amin’ny alalan’ny Ravinala Airports, no mampiantrano ity hetsika lehibe izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fitaterana ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro ity.
Manasa antsika handray anjara amin’io hetsika io ary hisoratra anarana maimaimpoana, manomboka anio amin’ny alalan’ny rohy https://cutt.ly/oboIyAJ
Ahitana loha-hevitra maro manodidina ny sehatra anabakabaka sy ny fizahantany ary fivoriana afaka homanina mialoha io hetsika io. Ny tanjona dia ny hisian’ny fifampizarana fahalalàna sy hiforonan’ny fiaraha-miasa maro samihafa.