nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

nosy-be airport

Seranam-piaramanidina
Nosy Be

SIDINA FAMPODIANA TERATANY MALAGASY TETO AN-TANINDRAZANA NY 16 AOGOSITRA 2020 LASA TEO

Niara-nientana ireo solontenan’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetrandro, Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, Minisiteran’ny Fahasalamana, Zandarimariam-pirenena, Aviation Civile de Madagascar, CCO, CPC, ireo orinasa rehetra miasa eto amin’ny seranam-piaramanidina, ary ny mpiaramiasa ato amin’ny Ravinala Airports, ny alahady faha 16 aogositra 2020 lasa teo. Tamin’io fotoana io no nandrindrana ny fandraisana ny sidina fampodiana an-tanindrazana ireo Malagasy miisa 233 avy tany Eropa, izay notaterin’ny Air Madagascar. Tao anaty fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra no nanatanterahana izany.

  • Fahatongavan’ny mpandeha tamin’ny alalan’ny sidina Air Madagascar
  • Fanajana ny elanelana iray metatra eo am-piandrasana ny toromarika
  • Fitsapàna ny maripana mialoha ny hidirana ao amin’ny seranana
  • Fijerena ny maripana tamin’ny alalan’ny « caméra thermique »
  • Tsy maintsy mandalo ao amin’ny « tunnel désinfectant », izay toerana famendrahana fanafody, mialoha ny hidirana ao amin’ny seranana
  • Famendrahana fanafody ny entana mialoha ny hizaràna azy ireo
  • Dingana tsy maintsy atao’ny mpandeha ny “Test PCR” na dia efa nanao izany aza izy ireo tany Eropa
  • Efitrano fandraisam-bahiny an’ny Tsaradia no nanaovana ny “Test PCR” ny ankizy, ny mpanamory sy ny mpiaramiasa aminy
  • Nanampy ireo mpandeha ny ekipan’ny Ravinala Airports mba hanamorana ny fandraisana azy ireo eo anivon’ny seranam-piaramanidina
  • Ireo mpiasan’ny Ministeran’ny Fahasalamana nandray ireo mpandeha
  • Nirindra tsara ny filaharan’ny mpandeha noho ny lamina napetraky ny polisy misahana ny sisin-tany
  • Famendrahana fanafody fanindroany ireo entana nataon’ny CPC mialoha ny nidirana tao anaty fiara
  • Narahi-maso ary naterin’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny toerana hihibohany ireo mpandeha
  • Famendrahana fanafody ny seranam-piaramanidina, ireo fitaovana sy ny fiara fampiasa eo amin’ny lalan’ny fiaramanidinina taorian’ny sidina